Ny lasa miverina (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ireo tsikan'ilay ranomasoko very
Namono ilay afo nataoko hanafàna,
Ireo indray miakatra ho entona kely
Tandrifin'ny hoaviko tsy azoko ialana.

Ireo vakin'ny siniko efa feno molaly
No 'ndreo fa mirendrika indray anoloako,
Efa nafoiko sy adinoko omaly
No manatitra tsiro hafa indray hosotroiko.

Ireo vakivakin'ny samboko rendrika
No miangona indray eo anatin'ny sahako,
Tsy sitrako hizorana nefa miendrika
Solon-tetezana mba hiampitàko.

Sarotra ovaina ny soran'ny lasa
Tsy maty jiro izy mandramaraina,
Na efa hadinoina sy efa voafafa
Mitsidika foana ao anatin'ny saina.

Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
160 1
Mpakafy: Lasyiray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0808