Ny lasako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko ho sambatra aho
Nandre lay teninao
Hoe ''tena tiako ianao''

Fa tami-zany angamba
Dia mety mbola Jamba
Ilay fitiavanao

Ka sahinao nivoady
Ny tsy hisaraka amiko
Mandritra ny androm-piainako

Nefa ankehitriny
Toa foana ireny lasa
Fa sahinao namafa

Tsy ao antsainao tsony
Ny voaditsika roa
Nambara avy amin'ny fo

Eny,
Izaho angaha no adala
Ka tsy nisalasala
Nitia anao fahiny.

Diso aho tamin'iny,
Nanoratra tantara
Tami-lay tsy anjara

Nefa na izany
Tsy neniko ny vita
Satria dia sitrapo

Fa ny any aoriana kosa
Angamba ataoko fady
Raha hisy fanindroa.

Fa ny hany hanoratako
Dia te hisaotra anao
Nitia ahy tam-reny

Misaotra anao namitaka
Misaotra anao nandao
Ka namela irery,

Handainga aho raha hilaza
Fa fifaliana ho ahy
Ireo fiarahatsika

Satria dia ratra ampo
Miharo alahelo
No hany mba natolony.

Toa nofinofy sisa
Ny ora hatsiarovako
Ireny lasa ireny

Minitra fahanginana
Iray minitra ihany
No asetriko an'zany.

Fa teny kely monja
No hafatra apetrako
Mba hatsiarovanao

Fa efa nisy izaho
Nandalo sy niserana
Teo amin'ny fiainanao

Dia aza atao to' ahy
Ny fomba itiavanao
Izay olon-tiavinao

Tsy mandrakizay voafetra
Toy ilay antsika
Ka rava vetivety

Fa mandrakizay doria
No ora ankafizo
Ny fitia atolony

Eny e!

Rediredy ihany
Miharo ranomaso
No azoko natolotra

Fa, tsy diso akory ianao
Fa izaho no adala
Niatsampitsampy foana.

#Vonjisoa_Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Ny lasa - Fitiavana
133 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143