Ny misandratr'androko (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny misandratr'androko!

Ora iray no lasa, ora roa no dila,
Dia tojoko eto ianao, eny asa loatra?
Fa manangasanga tamy izatsy filafila,
Filafila mamy, tena tsara mihoatran'

Ny mazava volan'ny alim-pahararanoko
Ny sary miaina aroson'ny ora fahatelo
Nialako tany an-tranoko,
Fa tojo voninkazo iray mamerovero:

Manitra hatsarana, derain'izay mandalo.
Manitra fitiavana, manintona mpiserana.
Manitra hamamiana, vangian'ireo tantely.
Manitra hatsorana, Manitra ...

Midera anao ny saiko izay mpandalo tsy azo tanana,
Voasintonao ny foko izay isan'ny mpiserana,
Ny faniriana anaty mikasa anao ho namana
Fa filain'ny ora mandalo tsy azo ferana.

Eny e, mankasitraka, fa toy ny nofy ireny,
Tsapa tena mamy fa tsy azoko nalaina.
Ny ora fahefatra, toa efa tsinjoko eny
Ka sisa hery angamba hampiaina sary miaina,

Misy ny endrikao rehefa mieloelo
Ny ora fahateloko nolavanao,
Dia sento iray no ataoko ho solon'alahelo,
Hampatsiahy fa mamy ny fandalovanao:

''ity misandratr'androko ''

Vonjisoa Andjanirina.
200726
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
31 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/08/2026 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122