NY NOFIKO SISA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny nofiko sisa no tonga mitsetra
Mamangy ahy anatin'ny ali-mangiana,
Fa ny fiaina-mitranga toa mahery setra
Sy manambatambatr'ireo fahoriana.

Ny ali-fahanginana sisa no namana
Miara-mizaka an'ireo alaheloko,
Ny nofy no tonga mba manolo-tanana
Sisa izarako ny tsiambara-teloko.

Ny aizina sisa no hoe fiadanana
Manome fiononana ny fo tsy ho kivy,
Eny ny alina irery no namana
Tsy mahafoy, sady tsy mba mahidy.

Vonjisoa-Andjanirina
(19 martsa 2024)
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Aingam-panahy
74 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163