Ny zanako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tena hasambarako
Hameno ny hafaliako:
Ny fahendren'ny zanako
Mandritra ny fisiako.

Ny tena ihafiako
Mandritra ny ahavelomako
Dia ho an'izy tiako
No antony hitolomako

Ny teny faniriako
Any anatiko any
Dia 'zay ho fijaliako
Hahasambatra azy hatrany

Ny fara-fitiavako
Tsy haiko tanisaina
Ny tokiko sy voady
Tsy maintsy tanterahako
Dia ny tonombavako
Ho azy isa maraina
Hilofo sy hitady
Hatramin'ny fara-fahafahako

Ny fara-famelana
Tsy azoko nomena
Ho an'ireo nifona
Tonga tanatrehako

Ny fara-fangatahana
Tsy maintsy ho nolaviko
Ho an'ireo sakaiza
Sy namako hatrizay

Rehefa eo ny zanako
Tsy maintsy hatolotro azy
Izay fara-fandeferana
Angatahany amiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
142 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.061