Raha misy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy vorondreo,ho azoko nirahina ampitapita ny hafatro
ho any ambadika any.
Ho nindramiko izy hamangivangy anao.
Raha misy koa ny ako,
izay onjan'ito feoko ahatafita havoana,
dia ho nataoko izany.
Ho teniko ampatsiahy fa mahatsiaro anao.
Raha misy lala-nofy,
ho azoko handadiana anatin'ny aizimpito
mba ahatongavako any.
Ho nizorako iny ho any anilanao.
Raha misy tononkalo,
azoko soratana anatin'ny aritoriko
ho fintina tomany.
Hosoratako iny noho ny alahelo anao.
Tsy misy anefa ireny,
K'ity no taratasikely mirakitra alahelo
sy henika fitiavana.
No hany voatsirambina raha toa ka sitrakao.
Vonjisoa ANDJANIRINA (09.05.2026)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Vonjisoa-Andjanirina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/08/2026 09:08
