REDIREDY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adaladala ve ny foko
K' hanantenantena foana
Raozy ka tsy hiofo loko
Ao anaty lohantaona
Fa lay hany voninkazo
Nimatesako maraina
Nantenaiko tsy halazo
No he mihintsana sy maina
Fa ny felan' ny hatsarana
Izay mba nifidianako azy
Mba ho haingon' ny tanana
No.he indrisy fa voasazy
Lay endriny mahafatifaty
No nandao fa tsy tamana
Ka niofo sady maty
Raha ny andro nihanafana
Ka moa ho kivy tsy hanantena
Raha izay no fandaharana
Raha lay sary nofinofy
No takiana mba hifarana

.....

E mangiana re ry foko
Aza kivy noho izany
Atsaharo ny toloko
Sy ny sento sy tomany
Fa tsy adala akory ianao
K' hanantenatena foana
Raozy ka tsy hiofo loko
Ao anaty lohantaona
Fa lay hany voninkazo
Mahazaka izay midona
Azo antoka tsy halazo
No andeha indray koloina
--------
Rohy:
Sokajy : rediredy
610 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016