Ry Malagasy ! (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry malagasy !

Amin'ny ora fahafiry ianao ry Gasikara taniko
Vao hisy mponina indray, izay tena Malagasy?
Amin'ny andro oviana koa, ianao ry nosy tena mamiko,
Vao tsy zana-tany intsony fa hijoro Malagasy?

Malagasy fitenenana, Malagasy toe-tsaina,
Malagasy fikaloana, Malagasy fitafiana,
Malagasy soa toavina, Malagasy kolotsaina,
Malagasy fitondrana, Malagasy fomba fihira.

Naleo tsy fantatrao akory izany hatao hoe fivoarana,
Naleo ianao ho bado ihany ho sahy hijoro ho ''firenena'',
Naleo tsy takatrao izany raha toa ka entinao ihoarana,
Namadihanao ny hevitry ny atao hoe ''firenena'':

Manana fiteny iray aindraindra sy iandaniana,
Manana ny soa toavina, maha-firenena anao,
Manana ny fihavanana entina ifanampiana,
Manana ny kolotsaina, maha-malagasy anao.

Vasoky ny vao angamba 'lay ''fahaleovantenanao'',
Very tsy hita hoe nankaiza, toa adino sy nifarana,
Vahiny no indro ampanjakaina avela hitempo anatinao,
Voninahitra sy vola no atakalonao fihavanana.

Nozanahan'iza loatra ilay saina isainanao?
No adinonao ireo aina latsaka, natakalo ''fahafahana''.
Ny maha-firenena anao, nofoanan'iza tao?
Ny maha-malagasy anao, aiza izay mba fahafahana.

Manam-pahalalana ianao, fa an'ny firenena hafa.
Mirehareha erĂ¿ ianao, ho an'ny firenena hafa.
Mitafy sy miteny ianao, fa an'ny firenena hafa.
Milaza ho mandroso ianao, fa andevon'olon-kafa.

Aza mitonon-tena ho Malagasy akory,
Aza mihevi-tena ho manam-pahafahana,
Aza mirehareha ho manam-pandrosoana,
Aza milaza akory ho tia ilay tanindrazana.

Raha tsy fantatrao ny atao hoe ''Malagasy'',
Raha tsy ianao no miady ho an'ny fanafahany,
Raha tsy fantatrao ny atao hoe firenena,
Raha tsy asianao ''hasiny'' ilay Madagasikara.

Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
110 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1037