SENTO MIAMPITA II (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sento miampita

Ny vodilanitra iny manopy mavomena
Toa hafatra milaza fa tsy ho ela dia hariva
Ny alahelo kosa mijotso tsy terena
Zary ampanaterin'ilay masoandro iva

Fahanginan-tsamirery no solon'haravoana
Ny tsikin'hafaliana niova ho tomany
Ny embona no alefa hihoatra iry havoana
Hiantsa vetsovetso ho any imerina any

Manako moramora mandrotsy aty antsofiko
Ilay orana midona reko lavitra any
Mameno fanirina sy sary anaty nofiko
Fa manina ny foko fa tsy afaka mankany
...

Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fahatsiarovana
133 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145