SOA FA TEO IANAO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOA FA TEO IANAO

Isaorako indrindra
Ry Raiko tena tsara
Ny fitantananao
Na andro be migaina
Na ora mamanala
Io teo foana Ianao
Tsy nahafoy nandao
Na dia minitra iray
Tsaroako omaly hariva
Ny foko raha nahatsiaro
Ka rotsaka tomany
Satria dia nialoalo
Ny endrika navelan'
Ireo fahiny lasa
Dia teo Ianao namafa
Ireo ranomaso very

Raha iny koa nandao
Ireo sakaiza tiako,
Ka namela irery
Nandao ka nanadino
Ireo lasa izay niombonana
Dia soa fa teo Ianao
Nanampy nampahery

Raha tamin'ny andro iray
Nisaona be ny fiainako
Resy ka nangiana
Fa nandao ny foko
Ilay hany olontiana
Dia soa fa teo Ianao
Nihaino ny tarainako
Nanefy ny fisainako
Hoe rehefa fahoriana
Dia io fa eo Ianao

Raha ireny koa ny havako
Nandà izay fisiako
Tsy te ahalala akory
Dia io Ianao fa tazako
Akaikiko eo nitory
F'Ianao kay tsy mandao
Fa n'inona miseho
Dia io fa eo Ianao

Raha iny koa ny nofoko
Fa reraka niady
Nikiry sy nitady
Hery ho salama
Fa resy sy narary
Dia soa fa teo Ianao
Nijoro tsy nanary
Nanolotra fiadanana

Raha reraka ny aiko
Fa nandatra koa ny saiko
Ireo tafiotra maro
Sy fingana nalefan'
Izao tontolo izao
Hanakana ny lalako
Nikiry saika hamafa
Ilay hany mba tantarako
Dia soa fa teo Ianao
Nanaiky ho anjarako

Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
351 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172