Teny ka teny - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Azo vakiana?
Teny ka teny nandeha ny fotoana
Nandrandraiko fitia tamin'ny olona iray
Nandeha ny andro volana hatramin'ny taona
Diso fitia fa tsy nety niray
Tany ka tany nalehako ihany.
ny fomba rehetra ifandraisako taminy
Kanefa ny androko fotsiny no lany.
Nandefa fitia tsy nandraisana valiny
Teny ka teny no nataoko taminy
Nitory fitia sy namabo ny fony
Tsy nojereny kanefa voatariny
Tsy mba nekeny na laviny akory
Tiako ka tiako amin'ny fo manontolo
Ny momba azy rehetra tsy iadiako varotra
Nolazaiko ny teny rehetra voakolo
Tsy novaliany, noheveriny sarotra
Tony ka tony ihany ny foko
Nampionon-tena tsy hisisika akory
Nandao fahoriana tsy niantso toloko
Kanefa tsy hivoady tsy hitia intsony.
Andjanirinav@gmail.com
Mombamomba
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 10/06/2019
Mpamangy : 543
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Antson' ny fasanaLASA IANAO
ITY RAOZY ITY (AVELAKO HO ANAO)
VELOMA (AVELAKO HO ANAO)
REDIREDY
NENY
VELOMA
RAOZY MAINA
AVELAKO HO ANAO
MBA TSIDIO