Tiany ianao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy any tia anao, fo tsy fantatrao akory;
Mangetaheta sy maniry ny hiara-dalana aminao,
'Zay vao sambany hatrizay, ilay fitiavany natory
no indro taitra ka niatsampy, sy miantoraka aminao!

Indro ilay fitiavanao no iriany ho amboara,
Hetahetany isan'andro ataony anaty tonom-bavaka;
Ka ny fiainanao tontolo no nofisiny ho anjara
sady ataony rehareha, sy faniriana iray miavaka.

Nefa indrisy fa misento, sy manjombona ny tavany
mahatsinjo anao mitsiky, eny antratran'olon-kafa;
Mipitrapitra koa ny fony, toa mamefy ilay fitiavany :
Izay tsy maintsy ho afindra lasy, any antanin'olon-kafa.

Satria ianao ilay faniriany tsy nanopy maso akory
ilay fony te hiantsampy, te hiantoraka aminao,
Dia aleony mampangiana ilay fony lasa ory;
Hamindra lasy ilay fitiavany, hianatra hanadino anao!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
162 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152