You are here: home > Vetso

TSIAROKO - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Matetika mihitsy no latsaka ny sentoko
Fa mahatsiaro anao any lavitra any
Ny anaranao no hany sisa mba fivetsoko
Ts'isy hafa tsy sento no mba tafitako any

Raha any ianao tsarovy ireny lasatsika
Izay ampaha-piainana kely tamin'ny androko
Dia lay tetezan-kely niarahana niam-pita
Mafy nosedraina fa nandravaka ny fiainako

Mino aho anefa fa any andro iray
'Lay ora iray tsy ampoizina any aoriana any
Dia lay nofy antenaiko fa ihaonantsika indray
Ka tsy hivetsoako intsony ny sento tsy ho lany.

Hametraka hevitra

Midira aloha