You are here: home > Vetso

TSIRIRITRA - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Taitra tampoka aho nahita anao nandalo
Fa mantsy teo no taitra lay fitiavako natory
Niainga moramora ny vavako hikalo
Kay ny anaranao tsy fantatro akory
      NY TSIRIRITRAKO

Nandalo ianao niherika, nifanojo tamin'ny jeriko
Tsy viniliko ny masoko ka lasa ianao nangarika
Nitsiry tato ampoko hoe raha ianao no ateriko
Nefa.,,, Faniriana ihany na dia efa voasarika
       NY TSIRIRITRAKO

Topimaso ihany no azonao atolotra
Tsiriritra ny ahy no azo tanterahina
Fa lavaky ny nofy mety tsy ho voatototra
No ifandraisantsika ka tsara raha tapahina
        NY TSIRIRITRAKO

Hametraka hevitra

Midira aloha