Ampidiro aloha ny tenimiafina
VAVAKA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jesosy Tompo ô, inty aho anioMpanota tsy mba mendrika ka raiso sy fidio
Endrey ty fahotana, tena hanenenana
>,,Eny ekeko izany fa fadio ny famerena''
.
Miangavy re ry Ray mba henoy ny teniko
Ny fahotana vitako tena hanenenako
Mifona sy mivalo fa tsy hanindroa
>,,Eny ekeko izany", misaotra Ray Tsitoha
.
Ny fanahy ananako tsy mba manankery
Raha tsy teo ianao, angamba aho efa very
Fanahy Masina ô, ampio re fa malemy
>,,Eny ekeko izany" hoy Ianao niteny
.
Raha toy izao ny fiainako feno fahotana
Mifona aho satria tsy hoe tsy fahalalana
Fa ninia nikipy, nandà ny teninao
>,,Eny ekeko izany fa miverena ianao"
.
Efa ratsy loatra ny foko sy ny saiko
Tsy misy fahendrena na koa hoe finiavana
Mba hanao ny tsara, fa ratsy no nolalaiko
>,,Eny ekeko izany fa miovà rahavana"
.
.
"Eny ekeko izany ry zanako tsy foiko
Satria tsy niandry kapoka na niandry ho antsoiko
Fa nahatsapa ho mpanota ka nanetry tena
Farano ny hadalana ka mtadiava fahendrena."
.
ENY EKEKO IZANY, MISAOTRA RAY MALALA
--------
Rohy:
Mpakafy:
Vonjisoa-Andjanirina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 31/01/2020 13:06
