Vavaka 2.0 (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo o

Mba fenoy fitia ny foko
Hahay mizara ilay fitiavako
Amin' ny maro mitoloko
Dia reo rako sady havako

Ampodio antsaiko foana
Ny atao hoe fitsitsiana
F' any ho any misy noana
Sy mizaka tsy fisiana

Ataovy tsapako ombieny
Fa be sy maro ireo tomany
Miaina fahoriana ireny
Nefa izaho aty hifaly

Tsy, tsy haiku ny hahavita
Hahita ranomaso latsaka
Amin'olo antampitrisa
Izay mahantra sy mangataka

K' ampianaro aho ry Raiko
Hanam-po mitsetra ireny
Ahitsio ny fo sy saiko
Hahay hahafoy na dia hoe kely

Amin' ireo mahantra ireo
Izay napetrakao ho adidiko
F' izy ireo dia zanakao
Izay ilay vavaka finidiko

Amen!


22. 08. 2021
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tononkalo/Vonjisoa-Andjanirina/vavaka
Sokajy : vavaka - Alahelo
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
103 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154