Vavolombelon'ny dia (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavolombelon'ny lasa ny sentoVavolombelon'ny hoavy ny tsiky
Vavolombelon'ny hery ny sedra
Vavolombelon'ny tanjona ny ezaka
Ny andro maraina,
Vavolombelon'ny alina lasa.
Ny saina mijoro,
Vavolombelon'ny fanantenana.
Ny fahasambarana,
Vavolombelon'ny tanjona tratra.
Ny teboka farany,
Vavolombelon'ny lalana vita.
Ny tapa-porohana,
Vavolombelon'ny afo nandalo.
Ny ratra manolatra,
Vavolombelon'ny fahasitranana.
Ny fandresena,
Vavolombelon'ny ady efa vita,
Ny tantara mipetraka,
Vavolombelon'ny antom-pisiana.
Raha toa ka lasa ianao,
Hisy ahatsiaro ve, fa efa nisy ianao ?
Mipetrapetraka aiza ireo dia-tongotrao?
Ho vavolombelon'ny antom-pisianao,
Vonjisoa ANDJANIRINA
(09 - 06 - 2025) 11:11 PM
--------
Lien:
Catégorie :
Vavolombelona
Fans:
Lasyiray
