You are here: home > Vetso

VELOMA (AVELAKO HO ANAO) - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Manao veloma anao ny vatana amam-bikako
Fa ratsy sy tsy mendrika ho namanao akory
Dia mba aleveno ny nofo-mangatsikako
Hidio anaty fonja tsy ho hitanao intsony

Manao veloma anao ny fanahy mampalaheloko
K' aza iriana akory mba hamelovelo
Dia mba esury antsaina lay fo mahantra keliko
F' ataovy toy ny setroka, tsy misy malahelo

Manao veloma anao ny manontolom-piainako
Fa efa te-hiala, handao ny eto antany
Dia aza intsony hitserana ny sento sy tarainako
Aleo mba ho ahy irery ka aza mitomany

Fa lay hany fiainana, mirafitra ho tantarako
Navelako ho anao no ataovy sarobidy
Izay no fara-teniko, izay no mba voambarako
K' havelako ho anao, omena fa tsy amidy


☎: +261341277341

Hametraka hevitra

Midira aloha