You are here: home > Vetso

VELOMA FARANY - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Rehefa maty aho ka tsy afaka miteny
Aza ariana fa tehirizo ny sisa diatongotro
Saino andavanandro ireny teny ireny
Tohizo f'aza ajanona ny zavatra natomboko

Rehefa lasana aho ka mandeha mamakivaky
Intsony tsy eto an-tany, amin'ny habakabaka iny
Iny asa soratro iny, ataovy ho vinaky
Ataovy fahatsiarovana ho tsiaro ny fahiny

Rehefa lasana aho, tsy hiaona intsony isika
Ataoko f'efa ampy ireo karazantaona
Fahavaratra mijoy, ririni-mangatsiaka
Niainako daholo hatramin'ny lohataona

Rehefa lasana aho ka hody any amin'ny razako
Hiverina ho vovoka handao ity firenena
Paoly sy J├┤hany, Jakoba efa tazako
Ny anjely Gabriela iny efa mitsena

Rehefa lasana aho, veloma mandrampihaona
Tsy maintsy hifarana eo izany fiarahana
Rehefa lasana aho, aza mba misaona
Fa tehizo k'aza ariana ity veloma farany.

REHEFA LASANA AHO

Hametraka hevitra

Midira aloha