You are here: home > Vetso

Vonjy - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

Mirana ny tavako, mifaly anao ny masoko
Mitsiky anao ny/molotro, ravo anao ny foko
Mandray anao ny saiko, mikalo ny fanahiko
Ka miarahaba anao fa tojo anao ny tenako

Ety am-piandohana no hirariako mamy
Ny fiarahan-tsika ho lavi-pahoriana
Ka n'inona hiseho, hanjaka hatrany hatrany
Ampoko sy am-ponao ny atao hoe fifaliana

Faly aho tojo anao fa ''rano hatapo-bary''
Ianao mitady Vonjy: VONJY tojo anao
Hifanampy isika, hiray ho toy ny rary
Velona ho iray, maty tsy hifandao

IZAHO ilay VONJY: Avotra ho anao

VONJY:
Hamalifaly anao anaty fahoriana
Hankahery anao reraky ny tolona
Hanampy anao hiady hitady fandresena
Hanabe anao mba ho olom-banona

VONJY:
Hampahalala anao ny misy fa nafenina
Hanazava anao ny ambadiky ny maizina
Hitondra vonjy ho anao misedra fijaliana
Ary haneho anao, ny ankoatra tsy hay takarina

Sokajy : Fiaraha-monina

Hametraka hevitra

Midira aloha