You are here: home > Vetso

Zaridaina hafa - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Azo vakiana?

      Hono wa malala
Fa efa impiry nifindra nofontany
Ianao ry voninkazo natokana ho tondrahako
Dia mba manahoana, sa ve sahala ihany
Ilay nonenanao sy ny tany eto amin'ny sahako

       Ianao no mahalala
Izay rehetra tany, nefa matokia
Fa nofontany tsara vao avy notrandrahana
No efa mba natokako hitoeranao aty
Dia efa misy koa ny siny fanondrahana

      Lay siny vaovao
Siny vaovao tsy mbola niasa mihitsy
Fa ny teo aloha tsy ho ampiasaiko intsony
Fa tanjoko aminao dia tiako hitondra tsiky
Ho an'ilay mpamboly niasa tamin'ny fony

     Natokany ho anao
Lay hany zaridaina tokana nananany
Tsy tiany hisy raozy haniry ankoatranao
Hono mba hamelana hanaingo ny tananany

☎:   0341277341