Zo nifanekena (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zo nifanekena

Zoko ny mitia anao,
Zoko koa ny manambara,
Zonao ny mandà,
Zonao koa manaiky,

Zo tsy didy fa fitiavana
Zo iray nifanekena,
Zo nekena mandramaty,
Zo nekena antsitra-po.

Fa ireo nifanarahana,
Ireo nifamatoratsika tady,
Ireny dina izany nomena,
Ireo no zo nifanekena.

Zo tsy maty ianao akory,
Sanatria tsy resy tory,
Eto aho mbola manantena,
Zo! Raha mandre dia miverena.

Vonjisoa Andjanirina. 05/02/ 2026
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
28 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118