You are here: home > Vetso

TSIKY ANATY ADY - yarihm

Azo vakiana?

raha sendra ka mandrahona ilay andronao baliaka
ka nanakona sahady irony tara-pahazavana
raha sendra ka nikentrona ilay tavanao sariaka
ndehana rahalahy TAFIO FANANTENANA

raha sendra ka manerika ny taratr'andronao
ka mandraraka hirifiry tsy zakanao zakaina
raha toa ilay hasambarana nisintaka nandao
mahandrasa rahalahy f'efa HO AVY ILAY MARAINA

raha sendra ka mifafy ilay oram-batravatra
ka nandrodana tsy nahy ilay rindrim-bavahadin'
ny hasambaranao
raha sendra ka voatohina ilay ferinao naratra
fikiro rahalahy ilay ilay TSIKY ANATY ADY
ho diademanao
                                     YARIHM
                                   30/06/2012

Sokajy : Aingam-panahy