NOHO NY LASAKO MAMELOVELO (yarihm)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny andro mangina ry tiana
no mitondra ity foko halahelo
fa ny saiko izay be fanahiana
noho ny lasako mamelovelo

tsy niniako ry tiana, tsy fidy
no mampanjombona lava ny foko
fa ny vahon'ny lasa mangidy
ny fikinton'ny fo mitoloko

tsy mba embom-boatery zareo
no nigohan'ny foko ny lasana
fa ny foko vesaran-toreo
noho ny ditra, ny siakan'ny fasana

tsy ny nofiko mainty tsy akory
no mitondra ity foko hisavoana
fa ity foko voaefitra ory
ity foko izay vonton'ny saona

tsy ny ora-mikija, misasa
no mifehy ity foko tsy hivazo
fa ity nofoko ity ho voarasa
HO VOARASA TOA RAOZY MALAZO

tsy ireo rivo-mandalo mahery
no mitaona ity foko himalo
fa ity vatako honina irery
dia HO VORONA LAVITRA KALO

tsy izaho no nangataka mantsy
fa mpanaiky ny didy sy anjara
mpankatoa eo andriran'ny antsy
dia: ny HITAMPODY ANY AMPASA-MANARA

tsy ny ali-mangina ry tiana
no mitana ity foko halahelo
fa ny saiko voadom-pahoriana
NOHO NY LASAKO MAMELOVELO

YARIHM
24/10/08
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo
1492 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiary
Daty : 10/08/2012 12:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104