You are here: home > Vetso

NY FIAINAKO - yarihm

Azo vakiana?

fony vao niaina aho
   dia, alina mangina
fony mba nandre
   dia, vazavazam-pijaliana
fony vao nahita
   dia, rahona mahery
ary fony nahatsapa
   dia, ratram-po sy fery!

ary tsy haiko na ahoana
fa, toa adabada izany saiko
tampina ny vavako, gina sady moana
indrisy! mahantra loatra ianao ry fiainako

dia ny fasana no sisa
akany iray mba hantenaiko
andrandrain-ko paradisa
hampiononako ny saiko

fa any mantsy ianao ry foko
tsy hitempo intsony: fahoriana
ary any: ho foana ireo toloko
izay mikiky ano mangina.
                 YARIHM
                 2011

Sokajy : Alahelo