ATAOKO AHOANA? (yarihm)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ataoko ahoana ny hanadino anao?
ianao! ianao ilay tsy sarako
lasa aho, ianao nandao
nandao! dia hanadino izany anarako

ataoko ahoana ny hanadino ireny lasantsika?
tanaty mafy, tolona sy ady
'lay foko haraka iny, 'lay jihitry ny hatsiaka
notinafinao fitia, nisintaka sahady

embonako eto aky, ireny diantsika ireny
tany an-toeram-pampiarahana
e! ontsa loatra aho mahatsiahy 'lay ambetin-teny
hoe: "tia anao aho, sanatria ny fisarahana"

asa ianao? asa ianao raha tahaka ahy?
fa oram-baratra ny fiainako
irery loatra aho, sady reraka fanahy
ho aiza anefa? mafaitra loatra ianao tarainako!
YARIHM
11/07/12
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1177 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiary
Daty : 09/08/2012 13:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134