Moa va? (YRomy RAVELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa va?
Rava sahady ilay niarahan-tsika nanangana
Nofy sisa ilay tantara nolalaovin-tsika,mahamanina
Tsiaro ireny nifampitantana teny morontsiraka
Niara nifanositosika teo ambon-tsorapasika.

Ankehitriny nefa,
savoritaka nosin-tanim-pitiavana
Sarotra ahorina sy harenina ny fahatokisana.
Ilay mba tiana sy Nantenaina nampilafila,
Tsy tana, tsy tamana eo hamoron’ny fitia.
Nolokavana ho lambana’akoho nifikirana
Te hamorona lapa vao fa sarotra harenina
Moa va mbola ao ilay fitia,.. sa…?.lasa tsy tana.
Miserana ao am-po,sy mby ao an-doha

Moa va,
Ireny fitia ireny misy fitaka
Mapisento fo am-panahy va,
Voahozona ho fiafiana mandrakizay.
Moa va mbola ao ilay fitia mitoetra ho ahy.

YRomy Ravelo .Fitarainana
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Alahelo - fiainana
390 1
Mpakafy: yRomy RAVELO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : YRomy RAVELO
Nampiditra : yRomy RAVELO
Daty : 25/06/2021 10:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261