Diso ve raha taitra (Zo-Maminirina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso ve raha taitra indray ny aloky ny lasaSeranan’olon-tiavina?
Fa izy ange tsy nety taitra fony
Nofohazina?
‘Reo teny miafiko aza nisalotra ny anarany
Nefa tsisy valiny, nefa tsisy varany.
Sombin-tsiky imolotra hatrany no mba setriny,
Toa rony ‘ty sakafo fa tsy mba misy ventiny…
Malalatiako foana e!
Tsy lovin’ny fotoana
Zo-Maminirina
--------
Rohy:
Mpakafy:
beloup