Rara-kintana (Zo-Maminirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rara-kintana

Oadray lehiretsy a!
Oadray izany kintana!
Oadray! Mahavalalanina!
Oadray!Mahafanina!
Miraraka mitobaka
Tan-danitra voarobaka!
Oadray! Izany kintana!
Tsy nisy tsy voafintana
Ka nitanandranandrana,
Antanimena, Ampandrana!...
Antanimena angaha hirehitra?
Oadray izany kintana!
Oadray!Toa mahafanina!
Miraraka ny kintana!
Kintana ho tola,
Sa ...hatakalo vola?
Hianto-pahanterana!...
Kintana manila,...
Sa ny sasany tsy mila?
Izay efa tototra
no mbola nototofana!
Resaka kivindro
manditsaka an-kianja!
...
Ka ny avo no tovonana!
Oadray!Kinta-manandrambo,
...fa aiza izay mba rambony?

Zo-Maminirina
22 desambra 2011
--------
Rohy:
1468 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zo-Maminirina
Nampiditra : Zoom140268
Daty : 22/02/2012 09:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097