injao fa midona ny voaloh - Zo-Maminirina
Azo vakiana?
injao fa midona ny voalohan’orana
anaty somambin’ny volana tsinana,
ny nofin’ny foko no mangorangorana,
mahatsiaro ireo dify eny ankodimirana.
ny atifanahiko manangan-torana,
mitebiteby amin’izay tsy vita,
ny fiainana mihitsy no tsy afa-patorana,
izay fitoniana tsy mety ho hita, ...
miakatra ety an-tanàna ny manga,
ny vatako kosa mahatsiaro ho mahatsiaro,
nilaozan’ny fanadinoana aza angamba
ka mampitamberina zavatra maro.
na mamy aza mantsy ny voankazo an’ala
misy mafaitra miserana ihany.
anjaran’ny tena ka aleo mody adala,
mba midify kely raha sendra tomany.
injao fa midona ny voalohan’orana
mamakiravina ambolana tsinana,
ny nofin’ny foko no mangorangorana,
mahatsiaro ireo dify eny ankodimirana.
...
Zo-Maminirina
18 oktobra 2015
(21 ora 30’)
Mombamomba
Mpanoratra : Zo-Maminirina
Nampiditra : beloupDaty : 12/11/2015
Mpamangy : 950
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ranon’ampangoNy tebitebinao
Rara-kintana
Diso ve raha taitra
arovy ny foko