You are here: home > Vetso

MANORATRA AHO SATRIA - ZOZORO

Azo vakiana?

MANORATRA AHO ANIO SATRIA

Mnoratra aho anio satria
Fantatro fa tia anao
Maika eny hiara-dia
Hiaina fiainam-baovao.

Manoratra aho anio satria
Manina sy malahelo
Mamolivoly ilay fitia
Rakofan'ny tsiambaratelo.

Manoratra aho anio satria
Efa te-hahita anao
Te-hitafa sy hifangiha

Manoratra aho fa fantatrao
Fa efa tia dia tena tia
Tena mankamamy anao.


              Zozoro

Sokajy : Alahelo, embona, Fitiavana

Hevitra mandeha

benasy (26/03/2009 10:33:03)

Sambatra izy tianao!

endrika01 (04/07/2009 07:30:21)

Sambatra ianareo,raha mahay mifankatia!!!

maeva74 (04/07/2009 15:11:23)

Manoratra aho satria
Te hahita anao foana
Handeha , hilalao fitia
Izany tenako efa noana

tsiambaratelo (05/07/2009 09:16:00)

maeva74 >tanjemo ary milalao fitia be ao an,

kolesy (13/05/2010 09:23:00)

Soraty ka soraty ireo vetsovetsonao
F'angambany izy izay, mba tahaka anao koa
Saingy kely feo no tsy mba mizahozaho
Tia fa mampangina ilay fony tia tokoa..