DAHALO NIOVA FO (Aina Nirina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DAHALO NIOVA FO

Toa tsy eken’ny saiko raha toa dahalo,
Mpandroba sy mpangalatra omby tena maro,
Nametaveta ankizy sy mpamono olona
No hasohasoina toy ny hoe mpitolona…

Satria niova fo nanjary tena tsara,
Dia handaniana vola roapolo miliara…
Efatra arivo no isan’izy ireo,
Tena tsy mampino ny zavatra miseho…

Afaka avy hatrany tsy misy fitsarana,
Tsy mba nampiharana ny atao hoe lalàna,
Nefa any am-ponja ny mpangalatra akoho
No miandry fitsarana na dia niova fo !

Firy ny mahantra eto Madagasikara ?
Tsy mba nandaniana na dia iray miliara ?
Fa olona tsy vanona sady jiolahy
No omen’ny fanjakana ny hatsaram-panahy ?

AINA NIRINA
(18 novambra 2014 tamin’ny 23 :00)
--------
Lien:
1295 0
Commentaires
aina.marie ( 21/11/2014 06:03)
De tena mahagaga le fitondrana e!
absolu ( 22/11/2014 12:35)
atao ahoana e?
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151