NISY (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY…

Nisy topimaso namaly ny fijeriko,
Nanintona ny saiko,
Nisy andriam-by nandresy ilay heriko
Sady tsy voabaiko…
Toa satriko hiherika hibanjina anao :
Hifampijery foana,
Hiresaka mangina ny tao am-poko tao
Hanao baiko moana…

Nisy tsikitsiky nifanolorantsika
Niloatra avy any am-po,
Tsiky toa nibitsika sady te-hikiaka
Ny miafintsika roa…
Tsiky nampitsiry ny fakan’ny fitia
Mandrobona ankehitriny,
Ka miantso anao ny foko, andao hifangia,
Ekeo ny faniriany…

Henoy ny vetsom-poko maniry hiampita
Miretsika, misoko,
Ka mipololotra mameno ny minitra
Sy manosodoko
Ny volon-danitrao hiravaka ny nofiny,
Ny zavany, ny tsarany,
Hibitsika aminao ilay toho-tsofiny
Sy ny fitia ambarany…

Eny, hihaino ianao hianoka ny hirako
Sy nofim-pahasambarako,
Fa tena tiako ianao, iriko ho eo anilako,
Handravaka ny lalako,
Ianao no nofidiko, ka ianao no idirako
Ho tiako sy malalako !
Ianao irery ihany satria ianao no silako
Sy tohin’ny tantarako…

AINA NIRINA
(23 aprily 2015 tamin’ny 20 :12)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1558 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 27/04/2015 21:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194