RAVA TRANO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAVA TRANO

Avia mba henoy,
Tantara iray hitohy,
Kiakan’ireo moana efa anam-pahantrana,
Nefa ankehitriny hampiharana lalàna :
Ny tranony ho ravàna
Tsy misy fiantrana…
Raha miova fo angamba vao ho tsara fiafarana !

Avia mba jereo
Ny ankizy mitoreo,
Ny reniny tomany fa rava ny fananany
Nohariana taona maro sy voka-pisasarany
Nefa ankehitriny tonga ny ora farany :
Ho aiza indray ny lalany ?
Fa tapitra tarangana
‘Lay hany voatsangana,
Ka eny amoron-dalana
No hamelatra lambanana…

Ho traboina izy tsy noho ny tondra-trano,
Fa noravana trano :
Tsy hisy fanampiana, tsy hisy fanomezana,
Nefa izy ireo hatory ambanin’ny tetezana…
Iza no hiaino ny sentom-pitarainany ?
Potika ny fiainany…
Nampiharana lalàna
Noho ny didim-panjakana…
Kanefa firy moa ny trano natao ny fananganana
Nefa tsy nahazo alalana ? *1
Raha eto Iarivo eto efa izay no fahazarana !
Iza no tsy mahalala ?
Maninona izy izao raha homena roa miliara*2 ?

AINA NIRINA
(09 aprily 2015 tamin’ny 19 :57)

*1 70%n’ny trano eto Iarivo dia tsy ara-dalàna avokoa
*2 Dahalo niova fo 4000 nomena 22 miliara dia mba tokony homena 2 miliara eo koa izany ny rava trano 450
--------
Rohy:
1256 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 28/04/2015 06:11)
misaotra fa raha izao dia iriko mba ho tonga any amin'ny fitondrana foibe izao hetahetanao izao, tsara be mintsy le asa-soratro milaza ny zava-misy...mankasitraka anao e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 15/04/2015 08:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015