Ampidiro aloha ny tenimiafina
ILAY ANJELIKELIKO (Aina Nirina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY ANJELIKELIKOAza mba manahy na dia kely akory,
Fa efa ianao no tiako.
Na inona mitranga na zava-mampahory,
Ianao no fifaliako.
Na lavitra aza ianao dia toy ny eo anilako
Ny tenanao tontolo.
Ny saiko sy ny tenako ary ny hirahirako :
Aminao daholo.
Rehefa eo ianao izay no hasambarako
Sy anton’ny fisiako.
Ianao ilay mpandrindra, mpanitsy koa ny lalako :
Ianao no efa tiako.
Ka aza adino akia fa tena ianao ihany
No ‘lay anjelikeliko,
“Ianao no hany tiako ho ravaky ny akany”
Izay no tsianjeriko.
AINA NIRINA
( 29 Aogositra 2005 nampiana ny 2014)
(Boky Sombin’i Aina 1 pejy faha-11)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
