VAVAK'ILAY TIA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAK'ILAY TIA

Ry Andriamanitro รด mba tahio,
'Lay tokan'ny foko mba vangivangio,
Fa fitiavana tsotra no niarahanay,
Saingy madio sy masina eo anatrehanao ry Ray.

Ka mba tahio re ny fianarany,
Tolory fahaizana eo am-pelatanany,
Ampitomboy ny fahendrena ananany,
Ka ho sambatra 'ndrindra izay rehetra ho namany.

Ny fifankatiavanay kosa ry Ray!
Ianao mahalala izay mety aminay,
Aoka ianao tsy hahafoy na hahasaraka,
Ireto tanora izay mikasa hiaraka.

Ka mba tahio re izay Malalako izay,
Izy no efa tiako atramin'izay,
Aza mahafoy na mahasaraka anay,
Fa ny fikasanay dia ny ho mandrakizay.

R. Rolland (da-rola)
--------
Rohy:
Sokajy : vavaka - Fitiavana
1899 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : da-rola
Daty : 15/01/2016 08:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0377