Ny teniko (Laharthe)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

NY TENIKO

Mbola hafa ianao ry teniko
Tena hafa noho ny hafa
Hosoratako amin'ny peniko
Mba hitoetra tsy ho voafafa.

Ny mitovy anao tsy misy
F'ianao kanto sady miavaka
Nefa maro izao, indrisy,
Ny mitady hanary an-davaka.

Misy ireo mikasa hamono
Ary hanototra sy hamafa,
Fa ny fandrosoana, hono
Ny fampiasana ny an'ny hafa.

Toa zary tonga vazivazy
Hoe "valala an'amboa"
Ny tompony aza tsy tia azy
Fa tsy nataony ho zava-tsoa.

Nahita angano ianao ry teniko!
Nefa hotazoniko ihany
F'ianao no lova tamin-dreniko
Hampiasaiko hatrany hatrany.

Na tsy dia malaza ianao
Tsisy mba mpitazatazana
Dia raketiko am-poko ao
Fa ianao no tenin-drazana.

Laharthe
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - fiainana
1074 1
Fans: Tolotrha
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149