Miandry anao (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa oviana ihany ianao ilay ho tonga
sa heverinao izaho miandry misomonga
efa herinandro izao no miandry ilay ora
aza ela intsony anie fa sao dia hisy hanakora

raha ny voalaza aloha dia toa hiandry
anefa anie efa mila anao ny sandry
ilay zokinao manontany isan'andro
toa tsy misy lera na maraina na atoandro

raha ny tiany koa dia ny hanoroka anao
hitafa hilalao isan'andro vaky izao
tsy mahay honona fa mitady anao hatrany
miandry ihany aloha, asa na ho androany

efa vonona avokoa izay handraisana anao
hany lasa avadibadika ka hataonay kilalao
ireo loko mavokely lasa fahazaranay ery
ilay zokinao lahy aza toa manjary mankafy

Tongava amin'izay hoy izahay sasa-miandry
tongava hilalao, tongava hiara misangy
fa ny lalana ho diavin-tsika mbola an-taona maro
ka miandry anao hoavy izay vao ho tafa mifangaro


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Fitiavana
1831 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 16/07/2012 10:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145