Ala-nenina (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa nolazainao ho angano ilay foko hoe doria
toa nambaranao fa hoe sangy ilay nilaza hoe modia
tsy ho ahy irery anie izany, fa hoantsika ihany koa
aza lazaina fa hoe mamo raha be talaho ny fo

ady kely tsy misy dikany no nanjary andro maro
olona tsy fantatro any no naha sarom-piaro
resaka etsy sy eroa no hinoana ka nanimba
ilay fitia antsika roa , sa ianao no te hiliba

miala nenina aho satria taona maro no ho voafafa
amiko azo alamina io, fa tsy ho toeran'olon-kafa
fa hilazao izay tianao aho, sao ho ketraka hiandry
mba asio saina ihany fa aza atao hoe sangisangy

izay hoe tsy telinao talohan'ireo adiady
mba lazao ahy koa , tena anaovako azafady
aza dia hodian-tsy hita ireo hafatro hatrizay
efa toa domelina aho, miteny irery, tena fay

mbola tia, eny tokoa, aza dia hodiana fanina
tsy mamorona aho fa mbola tia sy tena manina
aoka ianao no hilaza izay mba hany hevitrao
fa aho efa niandry ela, efa ho kivy tsy hilalao

Miverena raha mbola hanohy ilay dian-tsika roa
fa raha nisy hadisoako hoy aho,hifonako,tsy hanindroa
efa ity no fara antsoko, efa afaka ny foko
rahampitso sisa iandrasako, dia hanafaka toloko.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1939 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 12/06/2014 09:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132