Ny vehivavy ... Tsy mba - AMN (Arialy)
Ny vehivavy ...
Tsy mba matiko lolo hoa ilay fiakanjony
jereo ity zipo mihoatry ny ranjony
ny hoe tenda moa tsy hita ho tazanina
toa maontina loatra, izaho ndray no fanina
tsy matiko lolo ilay lokon-kirarony
toa hafa mihitsy zandiana ny tampony
toa maro loko, tsy hita lazaina
hitazana aloha mba hisy ho fosaina
tsy matiko lolo hoa ity fomba firesaka
mitaba mihetsika, ny rindrina hitresaka
ny maso aza moa mivotirika be
toa mapitahotra, naleoko nandeha
dia toy izany hoy aho ny vehivavy sasany
lany fotoana mitsikera no asany
Rehefa injay tratra tsy mahita ambara
satria hoe lafatra, tsy te ho afara :-)
Sokajy :
fiainana
Mombamomba
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : ialisoaDaty : 10/10/2020
Mpamangy : 426
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IlazaoEZAKO
Ala-nenina
Ho ravoravo
Hifamaly ve
Hirifiriko
Reny hono
Raha...
Izy irery
Ilay fitiavan-tsika