Ho ravoravo (AMN (Arialy))
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny olona no hiseho ahalala ny ao an-doha hiantsoako vonjeo ka lazaiko hoe misy voa
raha izy no hilaza izay tsy misy, hampiady
dia hampaginiko ilay vava ary ampiako teny fady
raha efa lehibe nefa tsy mba manana safidy
dia aleoko mody folaka toy izay miridiridy
ka avy eo asiako ilay joko mitsoriaka
dia tsy ho rarahiako na hoe hisy rĂ mandriaka
aza izaho no adalaina fa hiakatra ny soratra
fa hotsipahako mangina, ho rahonako, hivoraka
ka ho tantara tsy hitohy, fa tsy sahy izay hiteny
ny ahiako hitomany sy hiantsoantso neny
efa vonona aho hoy aho fa hitaty izay hilatsaka
tsy hangina sy hitoetra fa handrovitra, hanataka
matahora izay hoe ratsy fa ho gidraiko ka ho lavo
ka iny ianao manjoretra, izaho indray no ravoravo.
AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Mpakafy:
Nenipiso