Raha... (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tonga ilay aretina mampalemy anao
aoka tsy handamaka fa hanao ny fanao
tsy hilefitra fa hiady, hitady hery maika
eny na hoe reraka sy mitsako ny mafaitra

Raha toa ka lasa saina amin'ny fiainana
ataovy avo lenta ny asan'ny fisainana
tsy misy ny ho resy ka hivarina an-kady
fa hihoitra hitsambikina, hiezaka hiady

Raha toa ka lasa nandeha ilay olon-tiana
ianao tsy ho resy ka hitafy hakiviana
fa hoavy ilay andro izay hifaliana anaty
hisolo ilay tiana satria ianao tsy ratsy

Raha indro kosa fa diso nanantena
tsy ho sorena, hivika ka hiery fandresena
fantatrao fa mandalo ireny olana ireny
ho avy irony soa hahafaly anao ombieny

Raha indrisy fa tojo irony fahoriana
ka tena resy sy anaty hakiviana
aoka ianao hahery fa izany ny etoana
herezo izato saina fa mandalo ny fotoana

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1416 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 18/09/2013 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0293