Hifamaly ve (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ianao no nilaza fa hangina aho tsy hiteny
nefa ilay akamanao mimenona ombieny
tsy niheno aho omaly nefa kosa anio hiova
efa tsy ekeko intsony ilay milaza, hiantso loza

mivatravatra lava izao tsy mba misy fitsaharana
dia mihevi-dava izao fa izy no hoe loha-laharana
ka ho ekeko tsotra izao izay ataony sy lazainy
toa kitay aho no fiheviny ka ho halainy sy kapainy

Izaho tsy hivakiloha na faly izy na ho romotra
avelao aho hikiaka, na ny aiko aza ho fongotra
fa efa hoe tsy zaka ilay fanaony, rehefa mamo
raha mbola hitohy izao, dia ataoko hahita angano

tsy hoe izay tiany foana, no hoe andeha hatao
fa efa tofoka aho, izany hoe tena efa lao
raha azoko atao dia teny mafy no hasetriko
ataoko mahamay iny, ho tabaisiko, ho bedesiko

sangy ihany no ventesiko fa tsy hitaba akory aho
tsy mba izaho no handany rora ka hoe hampitalaho
ny hehy no asetriko ilay izy ho be filaza
ampiako pi-maso raha toa hivazavaza :p :p
--------
Rohy:
1458 0
Hevitra mandeha
ntsoa ( 09/04/2014 20:03)
inona kay no nahatonga an i arialy hisafidy an io tononkalo io ; misy ifandraisany amin fiainanao ve sa mba hoe tinao fotsiny ,,,, ;-)
arialy ( 25/04/2014 18:55)
ny ahy matetika film, tantara, fiainana hitako manodidina eny no mitondra haingam-panahy hoahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 09/04/2014 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142