Hirifiriko (AMN (Arialy))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy mangana ny tongotro, toa marary, manaintaina
tsy hitako ny hatao, ka mihiaka aho, mitaraina
iny i neny nanome, ilay ody izay hanampy
satria nilaza taminy aho, fa marary, tsy hatanty

nandeha teny ny andro, tsy nihafana ny aretina
toa tena naharary, misy manindry, toa poretina
andeha hamonjy ny mpitsabo ka hijery sy hitily
fa hita tsy ho laitrako, ity atao hoe hirifiry

dia natao ny fitsaboana, nandroso teny miadana
nolazaina ahy fa tsy mora ny mitsabo homa-miadana
ka ny ezak'ireo tiako sy ny fianakaviana
no nanampy ilay saiko, tsy ho resin'ny hakiviana

tsy nijanona nitady, ka nitombo ny nanampy
hisaorako etoana, ireo nahafoy, nanome vatsy
fa halefa any ivelany, izay no mety ala-olana
dia lasa nanantena, nitombo taratra, toa volana

nony tonga avy nitsabo, dia nitohy ny fanafody
nisy andro izay nazava, nisy koa ny tsy nahomby
indray andro izay anefa, tafa-teny aho fa kivy
nolazaiko fa tsy zaka, naharary izay tsy izy

tsy hoaritro intsony, izay aho vao tena resiny
hoy ny olona: aza kivy, sady vavaka no nasesiny
raha miala ity nofo, mety ho afaka ny feriko
efa ela nihafy aho, tena afaka ny heriko

tsy nahita izay nazava, aleo hiato ny marary
ny fitsaboana tsy nahomby, tsy nihetsika toa sary
aleoko hoy aho handeha, fa tsy zaka ny ankaso
aza malahelo moa é, andeha fafao ny ranomaso...

...Efa lasa aho ka nitsiky, efa akaikin'izy Ray
aty foana ny hirifiry, tsy misy koa ny ahiahy
nofikiriny aho ka faly, nanadino ilay nihoko
efa sambatra aho izao, fa tsy lavitra ny Tompo

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
1677 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 09/01/2014 06:45
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116