Raha hoavy ianao (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hoavy ihany ianao, raha toa ka sitrakao
dia ivimbino ilay fitia izay tsy mamofona talaho
fa lavitry ny soa aty, miady aina isan'andro
mila hitapy tsotra izao, tsy misy atokona atoandro

Raha hoavy hoy aho ianao, ento koa ilay diary
fa any be tsiaro fahazaza, ao koa ireo sary
eo isika no hihomehy, hanadino rimorimo
ho difitry ny hafaliana toy ny tsy hampino

Raha hoavy ihany ianao, aoka mba tsy ho ela
fa aho efa miandry, sy hihevitra ho tavela
fa hoe hadinonao ny fisiako efa folo taona izao
hafaingano re ny dia, te hihaona mafy aminao

Raha hoavy ihany ianao, aoka hadino ny toloko
fa ny fiainako aty, tsy azo adera, ratsy loko
aoka tsy hasiana resaka, izay zavatra ho hita
fa hohezahintsika ho soa izay zavatra ataon-tsika

Rehefa handeha kosa ianao, tandremo kely anie
aoka ireo resan-tsika mba tsy hisy ny handre
fa ho tsiambaratelo, hijanona ho antsika roa
hipetraka ho tantara ilay fihaonan-tsika soa

AMN (Arialy).
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Namana
1082 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 06/10/2011 17:33)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 06/10/2011 08:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141