Reny hono (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy reny any ho any tsy miteny
misy reny tsy niaro ilay nekeny
reny tia nefa namela ilay ainy
fa hoe ny mitaiza tsy mba hainy

misy reny miseho fa tia anefa
ilay zaza izay nafitra no nanefa
raha nitaraina tsy nohenoiny
fa hoe tiany loatra ka nafoiny

misy reny tsy mba azo ny hoe tiany
tsy mitaiza nefa ny tafita no iriany
ilay zaza very saina tsy mba hita
fa tsy ahoany satria hoe tsy tafita

misy reny mahagaga any lavitra
raha hanaiky dia tsidi-pahitra
ilay zanaka haratsiana fa hoe osa
ka hany lasa zaza maty fosa

misy olona te ho reny anefa any
tsy mahazo ka honena mitomany
tsy ho faly fa ho antitra irery
miandry haka irony zaza hoe very.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana
2095 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 05/12/2013 08:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098