You are here: home > Vetso

ny antsika - and

Ny lalan-tsika roa
‘Zay efa nisampànana
Ianao niankandrefana
Izaho niantsinanana

Tsy ampoizina intsony izany hifankahita
Raha tsy hoe angaha… kisendrasendra sisa
Rehefa iny ianao manofahofa tanana
Miantso indray ny anarako… tsinjoko eny ampita
Mbola mampitsiriritra...

Ahatsiaro ianao, ny ora mamy indrindra ny fiarahan-tsika
Hisento kely koa fa tsy hiverina intsony taloha
Izaho hangina kely, ka hanontany tena,
Nahoana isika roa, no zary toa niangarana
Ka tafasara-dalana

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha