Soloy (and)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no toloko no nofihininao !
Soloy ny fiainanao…, ovao ho vaovao
Ny lasanao rehetra, na vasoka sy ratsy
Ovao ho vaovao dia hirindra atsy ho atsy.

Toa olon-dia hatrany no nanjono ny fonao
Solifatra ianao ka folaka sy kola, dia hanaiky ho resy ve?
Ny ratsy fara-fidy, mangeroka, mangidy
tandrify tsy afa niala, nanitsy ny any anaty.
Nanaiky ianao…! tsy satry?

Nahoana no mangidy no nisaloranao
Soloy ny anaranao…, ovao ho vaovao
Ny endrikao mitsiky! tsy handalo fotsiny ihany
Fa atoero foana mihitsy ho endriky ny tany


Soloy ny anaranao.
Tantely indray andramana
Dia izaho re mba atao !
Voalohany ho namàna.
Andry na and
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1111 0
Hevitra mandeha
zanahare ( 19/09/2015 17:50)
tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : and
Nampiditra : zanahare
Daty : 19/09/2015 17:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096