You are here: home > Vetso

ALEOKO MANGINA - ANJARIVO Ronsard

Aleoko mangina
Toy izay lany andro,ifandramatra foana
Aleoko mangina
Toy izay very tsiky eny mandavan-taona
Aleoko mangina
Raha mbola miteny ny olon'adala
Aleoko mangina
Haren-tsarobidy ny fahasalamana

Aleoko mangina
Toy izay taralilan'ny vava malama
Aleoko mangina
Mba tsy ampisondrotra ny mari-pàna
Aleoko mangina
Mba ahatakarako izay ao am-pony
Aleoko mangina
Ny olo-mitony, tsy resy tsy akory

Aleoko mangina
Toy izay karajia rediredin'ny mamo
Aleoko mangina
Toy izay tafasiry ananganam-pahavalo
Aleoko mangina
Na dia efa mandroatra ny fo te itraotra
Aleoko mangina
Toy izay basy vava mamory vahoaka

Aleoko mangina
na tovatovanan'anaran-kanosa
Aleoko mangina
Toy izay sahisahy nefa bokan'ny trosa

Aleoko mangina, miandry ny anjara izay efa voalamina
Toy izay jefijefy ka iantsampitsampy amin'olon-tsy manina

Rons'Art  
17/07/2012

Hevitra mandeha

mimi12 (24/07/2012 08:27:34)

marina izany

zembla (27/07/2012 15:44:57)

Tena mampieritreritra ny tononkalonao!Sady marina avokoa izay voalazanao!

Ronsard (30/07/2012 13:14:01)

Mankasitraka amin'ny fanamarihana!

Mitsoa (29/09/2012 16:37:54)

zay mangina tokoa volamena.zay moa pankafy tononkalo fa tsy mahay manoratra nefa mpikabary

Hametraka hevitra

Midira aloha