You are here: home > Vetso

KIADY - ANJARIVO Ronsard

Azo vakiana?

Sombinaiko...etsy trotroiko
Mitempo tsy miato aminao ity foko
Ny tsara rehetra no iriako ho anao
raha hamakivaky izao fiainana izao

Ianao no kiady,tabia,rehareha
Noharin'ny Avo,haren-dehibe
Mitomboa fitia amin'ny ambany lanitra
Ho mahery fon'Ilay Tompo Andriamanitra

Tsy ho raraka an-tany raha ny hatsembohako
Handrangitra angady aho ampiasa ny lohako
Milofo ho anao no fiadanan'ny saiko
mandra-pahatapitry ny fofon'aiko

Ry zanako...
tsy mora ny lalana mbola andehanana
Miakatra, midina,maro sampanana
Kanefa inoako; tafita ianao anaka
I Kiadin'i dada tsy mba mora lanaka

Sombinaiko... etsy trotroiko
Mitempo tsy miato aminao ity foko
Ny tsara rehetra no iriako ho anao
Raha amakivaky izao fiainana izao

ANJARIVO Ronsard
13/01/2015
[nosoratako ho an'i Kiady zanako vavy kely]